Fanamafisana ny tolo-draharaha ara-pambolena ho an'ny fampandrosoana maharitra ny sehatra ara-pamokarana
Tanterahina nanomboka androany Alatsinainy 13 Jolay hatramin'ny Zoma 17 Jolay 2026 ao amin'ny Kaominina Mananjara, Distrika Ambohidratrimo, Faritra Analamanga, ny fiofanana momba ny Fitaovam-piofanana Vaovao ho an'ny Mpanolotsaina ara-pambolena (New Extensionist Learning Kit – NELK) ho an'ireo mpanolotsaina ara-pambolena manerana ny Nosy, dia ireo Lehiben'ny Sampan-draharaham-paritra misahana ny Fanitarana sy ny Fampiofanana momba ny Fambolena sy ny Fampandrosoana Ambanivohitra (SRVFAR).

Sampan-draharaham-paritra misahana ny Fanitarana sy ny Fampiofanana momba ny Fambolena sy ny Fampandrosoana Ambanivohitra (SRVFAR).
Miara-misalahy manatanteraka izao fiofanana izao ny tetikasa AERAS/GP-SAEP tarihin'ny FCA Madagasikara, miaraka amin'ny ekipan'ny DVFAR eo anivon'ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fahaleovan-tena ara-tsakafo (MiASA) ary ny Accès Agriculture.
Nanome voninahitra ny fanokafana tamin'ny fomba ofisialy izao fiofanana izao ireo tompon'andraikitra ambony eo anivon'ny Ministera, notarihin'ny Tale Jeneraly misahana ny Fambolena, niaraka tamin'ireo solontenan'ny DVFAR sy ny FCA Madagasikara.
Nohamafisin'izy ireo tamin'ny lahateniny fa dingana stratejika lehibe ity fiofanana ity amin'ny fanamafisana ny fahaiza-manaon'ireo mpanolotsaina ara-pambolena, izay mitana andraikitra lehibe amin'ny fanatsarana sy fanamafisana ny tolotra fanapariahana ara-pamokarana manerana ny faritra rehetra eto Madagasikara.
Antenaina fa hitondra fiantraikany mivantana amin'ny fanatsarana ny kalitaon'ny tolo-draharaha ara-pamokarana sy ny fanamafisana ny rafitra fanitarana ara-pambolena ity fiofanana ity, mba hahafahana manome tolotra mahomby kokoa ho an'ireo tantsaha manerana ny Nosy.


