π-πππππππ : πππ‘πππ«π π§π¨π¦ππ«π’π€π π―ππ¨π―ππ¨ π‘ππ§ππ©ππ«π’ππ‘ππ§π π§π² ππ¨π«π¨π‘ππ² ππ«π-π©ππ¦π¨π€ππ«ππ§π
Sehatra nomerika sy fitaovana stratejika natao hampifandray ireo mpisehatra rehetra sy hanamorana ny fizarana fahalalana, ny haitaom-pamokarana ary ireo fitaovana enti-mampiofana ny tantsaha ny E-PARIAKA.

14 πππππππππ 2026, π΅πππππππ_Mitaky fomba vaovao sy manakaiky kokoa ny tantsaha ny fampandrosoana ny fambolena aminβizao vanim-potoana nomerika izao. Ho fanamafisana ny rafitra fanapariahana sy torohay ara-pamokarana, dia natolotra taminβny fomba ofisialy tao aminβny CFFAMMA-GR Nanisana ny E-PARIAKA.
Sehatra nomerika sy fitaovana stratejika natao hampifandray ireo mpisehatra rehetra sy hanamorana ny fizarana fahalalana, ny haitaom-pamokarana ary ireo fitaovana enti-mampiofana ny tantsaha ny E-PARIAKA.
Naseho nandritry ny fotoana ny vokatry ny fanadihadiana momba ny rafitra fanapariahana sy torohay ara-pambolena ao amin'ny Faritra Analamanga sy Vakinankaratra.
Tafiditra anatin'ny fanatanterahana ny fanapaha-kevitra noraisina nandritry ny "Herinandronβny fanapariahana ara-pamokarana" taminβny volana febroary lasa teo ity hetsika ity, izay mifandraika amin'ny fampiharana ny Paikady Nasionaly momba ny Fanapariahana sy Torohay ara-pamokarana (SNVCA), mikendry ny hanamafy ny fahombiazanβny fanitarana sy ny fanakaikezana ny tolotra ho anβny tantsaha.
Ny fanofanana ireo teknisiana sy Tomponβandraikitra ao aminβny MiASA aminβny fitantanana sy fanavaozana ny angontoro dia hanampy aminβny fiantohana ny faharetanβny rafitra.
Vokatry ny fiaraha-miasanβny MiASA, ny FCA ary ny fandaharanasa GP-SAEP, ireo hetsika roa ireo. Hanampy aminβny fananganana rafitra fanapariahana matanjaka kokoa sy mifanaraka amin'ny filΓ nβny tantsaha, ho fandraisana anjara aminβny fanatrarana ny Fahaleovantena ara-tsakafo eto Madagasikara.
"π ππ¦ππ¨π₯ππ§π π¦π’π«π¨ππ¨π«π¨ππ¨, ππ§ππ¨π€π² π§π² π ππ‘πππ₯π¨π―ππ§πππ§π ππ«π-ππ¬ππ€πππ¨"



