Atrikasa nasionaly fizarana - Tetikasa AERAS/GP-SAEP
Nanomboka androany 18 Jona 2026 aty Morondava ny Atrikasa Nasionaly Fizarana Traikefa ato anatin'ny tetikasa AERAS/GP-SAEP izay tarihin'ny FCA Madagasikara hiarahana amin’ireo mpiara-miombon'antoka isan-tsokajiny avy any amin'ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fahaleovan-tena ara-tsakafo (DVFAR/MiASA), ny DRASA Menabe ary ireo mpiara-manatanteraka ny fandaharanasa (AIM, CTAS, Access Agriculture ary YPARD Madagascar).

Manome voninahitra sy nanokatra tamin'ny fomba ofisialy izao atrikasa izao ny Talen'ny DVFAR, Ramatoa Hoby RAKOTOARISON, notronin'ny Talem-paritry ny Fambolena sy ny Fahavitàn-tena ara-tsakafo Menabe, Andriamatoa Serge Hajasoa ANDRIAMIARINERA, ary ny Filohan'ny Filan-kevi-pitantanan'ny FCA Madagasikara, Andriamatoa Rajerison RANAIVO-HARISOA.
Fotoan-dehibe hanehoana sy hizarana ireo zava-bita sy vokatra azo nandritra ny roa taona mahery nanatanterahana ny tetikasa aty amin'ny faritra izao atrikasa izao, izay haharitra roa andro.
Nasongadina manokana tamin’ity andro voalohany ity ireo vokatra azo tamin'ny Saha Sekoly, ny fanapariahana ny teknika agroekolojika ary ireo fomba fanao vaovao (innovations paysannes) nahitana fahombiazana sy ireo mbola mila hatsaraina.
- Nisy ihany koa ny fakan-kevitra sy fanamarinana ireo vokatra sy voka-pikarohana niarahana tamin'ireo tantsaha, ekipa ary mpiara-miombon'antoka rehetra, mialoha ny hamoahana izany eto an-toerana sy any ivelan'i Madagasikara.
Nampiavaka ny andro voalohany koa ny fijoroana vavolombelon’ireo tantsaha mpandresy, izay nizara ny traikefany sy ireo tombontsoa azony tamin’ny fampiharana ny teknika agroekolojika.
Un des moments marquants de cette première journée a été les témoignages des producteurs champions. Ils ont partagé leurs expériences, les changements observés dans leurs exploitations ainsi que les bénéfices concrets qu’ils retirent de l’adoption des pratiques agroécologiques promues par le projet.
Un atelier placé sous le signe du partage d’expériences, de l’apprentissage collectif et de la valorisation des innovations locales au service d’une transition agroécologique durable.


